Fisy teknika momba ny Cajanus Cajan sy ny Tephrosia amin'ny dikanteny Malagasy.

Mots clés
  • Noforonina tao anatin’ny tetikasa Alefa Agroécologie miaraka amin’ny fanohanana ara-bola avy amin’ny AFD sy ny Vondrona Eoropeana, ity torolalana ity dia manolotra vahaolana mazava ho fiarovana ireo legumineuses roa toa ny « Cajanus cajan sy ny tephrosia vogelïï » amin’ny bibikely sy aretina indrindra eto Madagasikara.

    Votoaty fototra :

    • Famaritana ireo bibikely sy holatra manimba arakaraka ny faritra.
    • Tetiandro fidirana an-tsehatra ho fiantohana ny fambolena sy ny fitahirizana voa.
    • Fomba fanamboarana biopesticides avy amin’ny zavamaniry eo an-toerana (Neem, Tephrosia, tongolo lay, tongolo, sakay).
    • Fomba fitahirizana nentim-paharazana sy maoderina (lavenona, menaka Neem, kitapo PICS).
    • Fomba fanao tsara amin’ny fitantanana ny tanimbary (elanelana, fanapahana sampana, fanetezana).
    • Fampiasana voalanjalanja ny vokatra simika (deltaméthrine, pirimiphos-méthyl).

En haut